HO SANGANY ATY AFRIKA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“Isika no ho sangany aty Afrika…”
Fandrenao matetika sy averimberina
Fa rehefa tomorina toa fikafika
F’izay tena marina no afenipenina

Ny vidim-piainana miakatra hatrany
Toa mila tsy ho takatra hatramy sakafo
Ny taham-panjifàna ambany dia ambany
Ireo kojakoja no jifaina lafo

Dia zara raha afa-mijoro isan’andro
Tsy misy hotsakoina, ny kibo efa noana
Tsy afa-mividy dia tsy afa-mahandro
Ny saina no kivy, fanahy misavoana

Raha sendra marary dia loza sy atambo
Raha tsy manam-bola dia tsisy mpandray
Mpitsabo etsy an-daniny toa matin-kambo
Tambazana zay Dokotera mahay

Raha atao jeritodika ny filaminana
Mitombo isan’andro ireo mpamaky trano
Dahalo etsy andaniny tia mifaninana
Fa efa nivoady nanao velirano

Kanefa ny hetra tangosana ihany
Ny mpamatsy koa nanome fanampiana
Dia ambara amy tatitra ny vola lany
Hay resaka fotsiny rehefa zohiana

“Isika no ho sangany aty Afrika”
Asesika mafy handemena ny saina
Toa lasan-ko vavany ny eto amintsika
Fa sendra mpitondra tsy misy antenaina

AORN
13 JANOARY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : POLITIKA
268 5
Mpakafy: Hobinakely - hery - RIXAM - Voavonji - rina15
Hevitra mandeha
Hobinakely ( 17/03/2024 08:13)
Marina kosa aloha ity e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 13/03/2024 20:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147