HO TANY SAMBATRA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray o! mba tahio ity tany maminayTany nolovana tamin'ny Razanay
Tany hifandimbiasan'ny taranakay
Ka ny olona ao vimbino sy tahio
Aza avela ho reraka fa mba tadidio
Mba omeo anjara izay sahaza anio
Aza ny otanay no ho tsarovanao
Fa zay helokay adinoy sy avelao
Fa ianao Mpamonjy no sady tsy mandao
Mba omeo mpitondra hendry sy matsilo
Ka hanondrotra avo hitana ny fanilo
Ka hiredareda hatrany izato jiro
Eo am-tananao ry Ray ny ho avinay
Ka tsinjovy izao ireo taranakay
Dia ho tany sambatra ity taninay
AORN
28 JONA 2017
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Mpakafy:
rina15