HO TSINIKO ARY VE? (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho tsiniko ary ve
Raha leo tsy te hiherika
Ny toky izay nomena
Fa hay natao imolotra
Tsy sahinao natolotra
Dia izaho nangenahena?

Ho tsiniko ary ve
Raha leo tsy te hiatrika
Zay resaka matavy
Nambabo ambony ihany
Fa he nampitomany
Sy lasa nankanavy?

Ho tsiniko ary ve
Raha leo tsy te hihaino
Ny lainga sy ny atsanga
Zay nampandriana adrisa
Angano tsy hita isa
Avy eo tsy sahy mitranga?

Aleo ho tsiniko ihany
Na ho kianina aza...
Lazaina sy fosaina
Ho hafahafa toetra
Hiomehezan’ny rehetra...
Tsy misy ho antenaina

AORN
08 AOGOSITRA 1995
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
78 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 16/04/2024 15:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0256