IARIVO TSY FOIKO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Iarivo tanàna tsy foiko
Lay vohitra manantantara
Nambabo ny saina sy foko
Ny hakantony soa sady tsara

Toerana tsy ho adinoina
Tandindon’ny fahazazàna
Fa maro no tsarotsaroana
Namefy ny hatanoràna

Raha sendra vahiny mandalo
Tamàna sy raiki-pitia
Dia velon-tsiosioka sy kalo
Finaritra sady hankafy

Iarivo nidoladolàna
Nandrehitra hafinaretana
Ny embona anao no mazàna
Mijanona an-tsaina ho raiketina

AORN
13 Febroary 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
95 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 19/02/2024 07:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158