ILAY TSENAN'ASABOTSY (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Akory ny hatairako, sa izaho no manonofy
hoe may sy torotoro ny Tsenan'Asabotsy
Lay tsena nampalaza ity tanana nahabe
Tomany sy alahelo ny tao Antsirabe

Raha misy ny mampiavaka ity tanana ity
Io tsena io no anisany sy maro mpankafy
Fa zovy no tsy handalo hividy sy hizaha
Reo vokatry ny tany, mamelona tantsaha?

Ny tsenan'Asabotsy dia tsy mba mialonjafy
ka hitanao miantsena, vahiny marolafy
Rehefa miditra ao, voatsidika daholo
k'izay mivoaka avy ao, tsy misy tanam-polo

Kanefa dia indrisy, lavenona no sisa
Tsy azonao an-tsaina tsy ary ho voatanisa
ireo karazan'entana zay kila potipotika
dia ontsa ny fanahy, ny fo toa rotidrotika

fa iza loatra moa, no sahy nanao izany
ka nahavanon-doza mitohy sy sesilany
sa any ambadika any mandeha ny aferafera
Fa ilain'ireo ny tany ka raikitra ny sera?

Ireo natao hiandraikitra amy famonana ny afo
taraiky vao mba tonga ka novidian-dafo
reo asa zay tandrevaka, tsy namakiana loha
Sa hoe fanahy iniana, zay voa aloha dia voa?

Fa potika sy rava ny tsenan'Asabotsy
ny fiharian'ny maro no ndreo voahosihosy
Moa hisy fanampiana na koa ho fanonerana
Sa avela ho amy zao, tsy misy izay fitserana?

Kanefa moa tsarovy, fa mafy ny alahelo
Tsy maintsy mbola ho fantatra ireo tsiambaratelo
Hoe iza ireo mpandrava, sy ireo zay ratsy fomba
na farafaha-ratsiny, niray tsikombakomba?

Lay tsena aloha androany, tsy nisy iray mba niangana
Fa any andro iray, tsy maintsy ho tafatsangana
Satria ny mponina ao, tsy ravan'hakiviana
Fa mbola mafy orina raha ny firaisankina

Ny anarany tsy hiova, fa Tsenan'Asabotsy
Fa mbola ho tsara lavitra, fa tsy hikororosy
Antsirabe no resaka, tsy lavo fa tafarina
Fa misy Ray mpiahy, mpiaro sady marina

AORN
24 JOLAY 2025
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
325 2
Fans: rina15 - hery
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124