INY VOLANA INY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny volana iny tazanina avy lavitra
No seram-pifandraisan’ny foko sy ny anao
Rehefa te handinika ny tarany maharitra
Dia indro fa miampita lay hery miha-vao

Ny hafatra nalefako, moa efa lasany any
Inoako fa ho tonga tsy hoe ela eny aminao
Miaro sarin-teny lay tsiky sy tomany
TSy sarotra fantarina ny Felana sy taho

Fa iny volana iny, mazava manjopiaka
Mizara hafaliana ho ahy sy ho anao mitambatra
Ny tarany manopy lay endrikao sariaka
Mitondra lay fitiavana mamehy antsika ho sambatra

Satriko ny hitoetra hibanjina maharitra
Lay volana mirehitra baliaka sady soa
Ny saiko no mametra, ny foko tsy voafaritra
Hamerina indray lay dinantsika roa

AORN
02 JOLAY 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
135 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 27/02/2024 20:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149