JOMOKA HIGAGANA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘Lay mba nahazoazo fa niaraka nisotro…
Dia miova ny fijery
Ka lasa tsy azo kianina sy manana ny rariny
dia sahy miteniteny...

Zay olona rehetra tadidy ao an-doha
dia lasa misy kiana
fa izy tena miavaka, maranitra sy fetsy
ka tsy azo ambaniana

Dia tantarainy avy eo, ilay sefony am-piasàna
lazaina ho tsy mahay
fa risoriso hono no nampakarana azy
ka tsy mba mety fay...

Dia rehefa kelikely, mamadika ny tafa
Miresak’olon-tiana
“Izy iny raha ny marina, tsy tena tiako akory...
Tsy misy mahaliana”

Mitohy ny adi-sanina, fa te hanohy ny resaka
Ampiana indray ny daozy
Mandrotsaka avokoa, reo mpiaraka misotro
Mamoaka ny any am-paosy...

Dia toy izany hatrany, rehefa mamomamo
Mahita hifosàna
Kanefa raha ny marina, rehefa tsy misotro
Jomoka higagàna


AORN
14 NOVAMBRA 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
139 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 15/05/2024 13:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014