KARAJIAM-PANDROSOANA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nikiry aho ka nikiry
Nikiry fa tsy nahazo
Tsy nahazo lay fandrosoana
Fandrosoana tsy mety tonga
Tonga kely fa tsy tamàna
Tsy tamàna fa lasa niala
Niala sady voahilikilika
Voahiliky ny mpitondra
Mpitondra sendra ny tia kely
Tia kely mba hanambàka
Hanambàka ireo vahoaka
Ireo vahoaka tsy tonga saina
Tsy tonga saina amy zava-misy
Zava-misy efa manahirana
Manahirana hatrany ifotony
Any ifotony ravarava
Ravaravan’ny tontakely
Tontakely efa raindahany
Raindahany amy fangalarana
Fangalarana ny Harena
Harena maro sy vato soa
Vato soa tena sarobidy
Sarobidy ho an’ireo vahiny
Ireo vahiny zay tia mitsetsitra
Tia mitsetsitra Malagasy
Malagasy efa tena vizana
Tena vizan'ny adin-tsaina
Adin-tsaina efa lalim-paka
Lalim-paka lay fahantrana
Fahantrana tsy mety vita
Fa vita ihany io raha tafafoha
Tafafoha dia miray loha


AORN
08 JONA 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
79 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 21/03/2024 10:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0464