KAY ANKOSO-BOLAMENA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tantaran'ny mpifankatia...saingy nampirafy ralehilahy...nifamaly ny tena tompony (Menja) sy ilay rafivaviny (Rova)...

Nantsoiny omaly ilay malalany...
Olon-kafa no namaly
feom-behivavy fariparina
feo milanto toa namboarina
sady mbola nanontany:
"Iza moa ianao izany?"

Dia gaga izy no sadaikatra
Fa misy inona any ho any?
sa hoe sanatria ny vava
ilay fitiavany ho rava
Ka olon-tiana vaovao
no miaraka aminy amy zao?

(M) "zaho no tokony hanontany
fa iza moa ianao no sahy
mandray ity finday ity?
Sa nareo mpifankatia..?
mba valio fa tiako ho fantatra
F'aleo hiakatra izay hiakatra?"

(R) Angaha tsy mbola noteneniny?
efa herintaona izao
No niarahako amin'azy
sady tsisy vazivazy
Tena matotra aok'izany
Lay fitia tsy lany mamy

(R) Izy rahateo niteny
Hoe misy fofom-badiny any
Zay tsy tena tiany akory
Fa mahatonga sorisory
Ary mety ianao mihitsy
Lay vehivavy tiany ahitsy

(M) Tena lehilahy tsy vanona
Tsy mba manana fanahy
Tena biby raha oharina
Fa mpandainga sy tsy marina
Efa fofom-bady izao
no sahy mivadika aminao?

(M) Eo mba ampitao aminy
hoe: tapaka manomboka eto
Lay fifamatoranay
Hiaraka ho mandrakizay...
Dia lazao mba tsy hisahirana
Fa any izy mety mirana?

(M) Aleo koa fantatro mialoha
Lay toetra ratsy tsy manjary
Ndrao ka any an-tokatrano
No hivadi-belirano
"Mahaleova" hoe, "mahalasana"
Fa izy koa tsy sahy mitana

........

Dia toy izany ilay tantara
hay mpamitaka ilay tiany
fa tany anaty taona maro
ny lainga nifangaroharo
Kay ankoso-bolamena
Mamirapiratra jerena

AORN
09 FEBROARY 2010
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
104 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 12/06/2025 07:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0184