KISENDRASENDRA (AORN)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kisendrasendra angamba ilay isika nifanena
Ka nampitodika ahy hanara-maso anao
Ianao koa rahateo, toa zary nihenahena
Toa vorona voafandriky ny ankizy milalao

Kisendrasendra angamba, lay teo amoron-drano
Ianao nanasa lamba, izaho nanaran-tsisiny
Ankizy kely iray, nianatra lomano
Nanaitra ahy sy anao,nahare ny kiakakikany

Kisendrasendra angamba, lay teny an-jaridaina
Ianao nibaby zaza, nivimbina haron-kely
Izaho andeha hivarotra, ka tonga vao maraina
Namelatra latabatra, nanoko ireo tantely

Dia samy lasa saina, avy eo dia nifanantona
Izaho niambakavaka, ianao toa nentin-javatra
Dia niara-tafateny hoe: fa inona no antony?
Kanefa anatiny any, lay fo no sakodiavatra

Tsy nisy nahavaly, fa niaraka nitsiky
Dia niaraka nitoetra tambony seza vato
Noraisinao ny tanako segondra vitsivitsy
ka babo teo ny foko, nitempo tsy an-kiato

Fa nony tato aoriana, tsy nifanena intsony
Izaho nandeha anindrana, fa Mbola amperin’ady
Fa ny alahelo anao, tsy Mbola mampitony
Fitia vao saika hamelana, mirobona sahady

AORN
23 APRILY 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
320 4
Mpakafy: hery - Nabatou - rina15 - francillon
Hevitra mandeha
rina15 ( 30/07/2024 18:54)
Talentanareo lay miantsa e! mankasitraka
Nabatou ( 07/08/2024 08:31)
Tsara, nandramako nasiana feony izy ato.
Nabatou ( 07/08/2024 08:52)
https://drive.google.com/file/d/13XTB8NHTxfuu9mkBjmDPMZ0PcCOi1JMy/view?usp=sharing
rina15 ( 07/08/2024 09:05)
Nabatou: Henoko ilay hira..tsara na dia mbola vakiraoka aza..azo atao ny manao ny fanatsarana kely indrindra amin'ny fanononana..mankasitraka
hery ( 09/08/2024 08:39)
Tsara ilay hevitra. Mila hatsaraina ny fanononana dia mety hilay kokoa
Nabatou ( 09/08/2024 09:02)
Aleo fa hohatsaraina dia averiko alefa eto ihany rehefa vita.
rina15 ( 09/08/2024 09:12)
Miandry isika!!
hery ( 09/08/2024 10:07)
Nabatou> misy teny gasy vitsivitsy somary sarotra tononina ao fa azonao henoina ilay namakiako azy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 29/07/2024 07:38
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1455