MALAGASY (AORN)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malagasy te hivoatra
Nefa tsy afaka manoatra
Malagasy te hijoro
Fa voageja torotoro

Malagasy te hiarina
Tsy nahita izay mba marina
Malagasy leo ny lainga
Vonona ny hamadi-bainga

Malagasy saro-piaro
Reo Harena mifangaro
Malagasy tsy mitamby
Reo vahiny te hiantsampy

Malagasy rano iray
Mifanampy, mifandray
Malagasy manantena
lay fiavotam-pirenena

Malagasy tena gasy
Tsy vazaha an-taratasy
Malagasy iray fiaviana
Misy tanjona itoviana

AORN
26 JONA 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
233 2
Mpakafy: rina15 - hery
Hevitra mandeha
rina15 ( 02/06/2024 17:11)
Mankasitraka Hery !!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 09/05/2024 10:24
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148