MAMELA NY HADISOAKO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ato anaty tebiteby,
No anolorako ito vavaka
Aminao ry Ray malalako
Mila haningotra ny aiko
Reo adin-tsaina tsy an-kanavaka
Maha-kotsa izany tavako

Ory loatra ny fanahy
Manoloana ireto ankaso
Tsy mitsahatra mitombo
Maro koa ireo ahiahy
Toa mandifotra ny maso
Mila ho resy ity mpanompo

Mba ampio ny hery anaty
Hatanjaho ity finoako
Aherezo ny ato am-po
Hamafiso hahatanty
Fahoriana sy toloko
Mba hiorina tokoa

Mamela ny hadisoako
Sy ny vesa-pahotako
Nampisaraka ahy sy Anao
Na ny adidy tsy tsaroako
Zay tsy vita fa nialako
Nefa tokony ho natao

Raiso indray ity faniriako
Te hiantoraka Aminao
Ray sy Zanaka Fanahy
Fa reo ratra niafiako
No indro atolotro ho anao
Ka tsy hananako ahiahy

AORN
08 JOLAY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : VAVAKA
130 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 01/08/2024 14:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149