MATIMATY FOANA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matimaty foana ireo nitari-tolona
Niady ho an’ny taniny
Fa ny mahonena, lay Malagasy mihitsy
No lasa baranahany

Nitolona aman’aina, ireo nafana fo
Ny fito amby efa-polo
Tsy namela mihitsy, ireo mpanjanan-tany
Hanjanaka bontolo

Fa nankaiza loatra, lay afom-po tsy maty
Nampiavaka hatrizay
No ankehitriny indray, isika no mamerina
Ireo efa nanafay?

Dia azony ny laka…isika indray no miafy
Mangataka ny atiny
Satria ireo mpamadika, no efa sahy mivarotra
Ny lova sy ny satany

Ankehitriny manko, tsy misy tany intsony
Ho an’ireo madinika
Fa ny hafa firenena no eo amy familiana
Ka maro no voahilika

Reo Malagasy vitsy, Mahita ranondranony
Tsy te hahalala intsony
Fa zarany aza ianao, mitrongy vao mba homana
Tsy avelany ho tony

Ankilany etsy kosa, vahoaka sesehena
Tsy afaka mikofoka
Vao misy sahy mitsangana, samborina avy hatrany
terena hiosom-bovoka

Tsy mahagaga mihitsy, raha lasa farahidiny
ny Malagasy an’hetsiny
‘Reo manam-pahefana manao tsindrio fa lavo
Mampiasa ny hevi-petsiny

Kanefa anie hiraina, sy atao ambeti-teny
Lay hoe “fampandrosoana”
Fa vavany ihany ireny, tsy misy izay mivaingana
Ka sarotra inoana

Raha Mbola ts’isy ho sahy, manohitra tsy rariny
Ka tsy mataho-maty
Dia Mbola eto ihany, ny omaly tsy hiova
Ny antsika Malagasy

AORN
29 Martsa 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
118 0
Hevitra mandeha
rina15 ( 16/03/2024 15:20)
Isaorana foana Ikalamako miantsa fa tena tsara e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 29/02/2024 06:24
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0241