MBOLA OMBAY MITADY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Very omaly hariva lay fitia nitiavako azy
Toa nisafoaka tampoka nitsoaka an-tany efitra
Ka toy ny tsatok’antsy tsy nisy vazivazy
Ny namadihany ahy, niharihary tsy an-kandefitra

Rovitry ny sota 'zato foko resy lahatra
Nino an-jambany ihany tamy teny feno angola
Nefa hay ankaso feno fandrika amam-ahatra
Ka ny tenako avy no indro fefika sy tola

Na ny rafiko aza tena sahy namatrapatratra
F’izy no safidiny ary ny hafa sarintsariny
Nitambatra izy ireny ka nitoby sy nifatratra
Tamy foko adala, nahatsapa ny marariny

Mbola ombay mitady ilay fitiavako tsy tànana
Tsy niselontselona tanaty tato ho ato
Raha mba misy tia mbola asaiko miandry tantana
Fa ny foko aloha mbola mihidy rindrim-bato

AORN
06 FEBROARY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
87 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 01/04/2024 04:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149