MIATRIKA ADY INDRAY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zoky a…
Efa ela zah(o) no niandry
Zato kozikozinao hoe:
“Mahareta leitsy zandry
Mila miafy kely ialah
Fa tsy fahoriana foana
No iainana eto an-tany”
Saingy mierina ny taona
Tsisy miova f’eo ihany
Dia sahirana no eto
tsy afa-bela fa misento
ka de miatrika ady indray
totoafo mahamay

Zoky a…
Tsy adinoko ihany koa
Rehefa tsika mifanena
“Ao mitraka kely aloha
Fa mba tovolahy ny tena”
Dia omen’lah moraly
Hoe “Mbola miodina ny tany
fa ny anjara manandrify
efa miditra any ho any”
saingy Mbola nofy aloha
Zany teny mamy izany
Fa Dia miatrika ady indray
Totoafo mahamay


Zoky a…
Mba rahoviana ihany moa
Vao ho tonga ny marainako
Fa toa alina eny foana
No itondrako ny tarainako
Hoy elah hoe “aza kivy
Fa tsy jamba ny ao ambony”
Fa hatreto aloha mangidy
Tsisy ho Antenaina intsony
Tsy hay raha Mbola hisy anjara
Zay mitsidika any ho any
Fa dia miatrika ady indray
Totohafo mahamay

AORN
14 AOGOSITRA 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
14 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 19/09/2024 11:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153