MIFONO ANKAMANTATRA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony nifanojo ny mason-tsika roa
Dia hitako avy hatrany lay tempon’ny fitia
Nipololotra anaty
Ianao nitsiky kely, izaho moa sakodiavatra
Ny fo nidobodoboka, toa mitady hanempotra
ka mila tsy ho tanty

Fa fotoana fohy, dia tsapako avy hatrany
Fa babonao ny foko, toa resy tsy nitolona
dia roboka tsy tana
Ianao koa rahateo, toa nisamboaravoara
Ka saika tsy nahita ny lalana nodiavina
Fa tojo hafanana

Fa tsaroako foana, iny toerana iny
Ka satriko andalovana seranana matetika
Fo roa no nifandray
Kanefa Mbola miafina mifono ankamantatra
Ny ampitso izay andrasako, tsy mampitombona ahy
Ahita anao indray

AORN
19 Septambra 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
90 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 29/02/2024 07:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0877