MILA MANAMAFY FO (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mama,
Aty am-pamitana sazy aho no nahare fa lasa ianao
tsy nisy filazana akory, nanambara ity vaovao
fa ny tena nahakivy, sy nampalahelo koa
reo tena havanao akaiky, be no tsy nivaky loha
dia natao malakilaky hatramy fomba nandevenana
raha ny satriny aza moa, izao fahoriana izao nafenina
Menatr'olona izy angamba,hoe manan-kavana sahirana
izy manko mpanam-bola, faly lava, miramirana
saingy atao ahoana moa, zay lay mahavaky fo

Mama,
ankehitriny zay vao tsapako, fa tena tia tokoa ianao
nitondra am-bavaka isan'andro, ho an'ireto zanakao
fa ny tena mahaontsa, izy dahy zay mbola kely
Efa tsisy dada mpiahy, nefa dia nilaozan-dreny
Iza indray no hikarakara, ny ampitso sy ny hoaviny
Mety misy iray hitsetra, fa ny hitaiza mety ho laviny
zaho anefa aty am-ponja, mbola ho lava ny hijanonana
tsy mba hisy hanati-bary, fa tsy manana ankohonana
Saingy atao ahoana moa, zay lay mahavaky fo

Mama,
Na dia mafy sy tsy laitra, izato fahalasana anao
Na mangidy sy mafaitra izany hoe nilaozanao
Mila manamboatra saina, manoloana ireo adidy
Mbola misy ny antenaina, fa fanahy no tsy azo amidy
ka ny hany fiononako, dia ianao ilay afa-jaly
Tsy mitaintaina intsony, fa hain'ny Tompo ny namaly
Mbola hiposaka aminay, ny masoandrom-pifaliana
Fa mandalo fitsapana, sy ireo karazam-pahoriana
Saingy izao no atao an-doha, mila manamafy fo

AORN
03 NOVAMBRA 2003
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
262 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0121