MILA MIANA-DESONA (AORN)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tiana hopotehina ny firenena iray sy olona ao aminy
Io fampianarana io no ataony farahidiny sy farany ambaniny
Tsy misy hirarahiany ny ho avin’ny taranaka voataiza tsy sahala
Satria ilay fanabeazana, raha oharina amin’ny hafa, no atao an-jorombala

Ireo zay mpanabe, misehatra amy zany, dia zara raha mahazo
Zay tambiny karama, Nandrasana amam-bolana k’indreo mihazohazo
Misy koa ireo hafa, tsy avela mba hisitraka ho mpiasam-panjakana
Fa rehefa tsy mahazaka, mahazo miova hevitra, raha toa ka tsy tamana

Ny sehatra ianarana, ny trano fanabeazana, tsy misy rindran-damina
Ny dabilio toa potika, solaitra be miepaka, manjepy mahafanina
Sekoly maromaro, zay tsy mitafo intsony, fa lanitra no hita
Kanefa hoe “Tanora hiatrika ny ho avy”, toa zara raha tafita

Raha atao indray mitopy, ny anaty fandaharana, dia hita miharihary
Fa efa an-taona maro, tsy nisy fanavaozana fa toa tsy zarizary
Ny vola izay natokana, voafaritra mialoha, tsy hita izay mba lalany
Tsy hitanao mivaingana, fa any an-kafa angamba, manefa zany sarany

Ka r’efa ny fianarana no atao ambanin-javatra tsy hamakiana loha
Dia aza gaga akory, raha toa ka tsy mandroso, fa mihemotra avokoa
Dia mora ambakaina, reo olona ao anatiny, vokisana dia miesona
Satria tsy tafapàka an-tsaina intsony koa, fa mila miana-desona

AORN
17 Mey 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
122 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 09/03/2024 17:22)
Misaotra ny mpiantsa!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 01/03/2024 08:35
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154