MIOVAOVA LOKO (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niova loko lay fitia
zay namiratra taloha
Nolalovan-drivo-drano
zay nikiky moramora
efa an-taona maromaro...
dia nanjary lasa matroka
sy harefesina aza
ka marokoroko indray
mila ho potika sy rava...
Lay nilaza "tia" taloha,
sy nafanafana fo
hoe: "tsy hisy haharombaka
ny fitiavantsika roa"
aiza zany ankehitriny?
Fa ny lalana niraisana
nolalovana fahiny
Dia tsy nampiray intsony
lasa latsa miampy tsiny...
Olon-kafa indray no indro
fa miantsampy an-tsorokao
Fa ny foko zary rovitr'
alahelo sy toloko
sendra fon'ny tanalahy
tia fa miovaova loko


AORN
12 OCTOBRE 2018
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
314 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0142