MISY OLONA ANY HO ANY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy olona any ho any, manara-maso anao hatrany
Misy olona any ho any, tsy te hahita anao tomany
Misy olona any ho any, miaro anao fa tsy miseho
Misy olona any ho any, manampy hatrany fa tsy leo

Misy olona any ho any, mitondra am-bavaka eny foana
Misy olona any ho any, mamono andro sy fotoana
Misy olona any ho any, te hahita anao ho sambatra
Misy olona any ho any, hisolo vaika anao tsy miambatra

Misy olona any ho any, tsy te ho fantatrao akory
Misy olona any ho any, sahy manolotra ny fony
Misy olona any ho any, tsy mila tambiny aminao
Misy olona any ho any, mandra-maty tsy hitanao

AORN
15 JONA 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
477 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 09/09/2025 12:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0126