MITIA ILAY TSY HAIKO (AORN)

Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro tena maro ny miravaka sy raitra
Saingy tsy nampihontsona ty foko adaladala
Fa ny endrikao no tena kanto sy nanaitra
Ka ny saiko mihitsy no efa babo tsy an-kisala

Tsy hitako hazavaina fa dia tiako fotsiny ihany
Na tsy fantatro aza ny momba anao rehetra
Ny saiko te handalina, ny fo tsy manontany
Fa dia te hisisika hitia tsy manam-petra

Fa dia iza loatra moa ianao ry ilay tiaviko
No mambabo anaty tsy ahitako fitoniana
Ireo naniry hotiavina no efa ela no nolaviko
Fa ianao tsy haiko mampitondra fahoriana

AORN
12 jolay 2021
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
164 2
Fans: rina15 - Daniiel
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152