MPITENDRY LOKANGA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tantaran'ilay Mpitendry lokanga, izay tovolahy tso-piaina sady tsy mieboebo. Henon'ny Mpanjaka ilay feon-dokanga, ka nampanantsoina izy hiakatra lapa haneho ny fahaizany...


Mpitendry lokanga ikoizana
Sady miavaka anatin’ny maro
Hira tsotra io na fampandihizana
Na koa gadona atao mifangaro

Tovolahy tsy mba tia sehoseho
Saingy tia miara-miasa amin’ny hafa
Tsy be teny sy andrenesam-peo
Fa avy hatrany dia arahiny asa

Rehefa tonga lay harivariva
Njao fa heno avy lavitra any
Feon-dokanga zay manivatsiva
Mampientana, mampitomany

Zay lalovan’ny feo dia tamàna
Satry foana hiangola fa tia
Dia sondriana zay ao an-tanàna
Fa misitraka sy mankafy

Ndray maraina izy nampanantsoina
Fa hifety ny anatin’ny lapa
Ka lokanga no hikalokaloina
Zay no didy nataon’ny Mpanjaka

Rehefa tonga amy 'zay ny fotoana
Vory lanona koa ireo Tandapa
Dia nijoro avy teo anoloana
Lay mpitendry zay niakatra lapa

Ny Mpanjaka ary no nisafidy
Zay tendrena sy tiana hiraina
Izy mantsy no masi-mandidy
Ka toavina sady hajaina

Dia nanomboka ny fitendrena
Ka variana zay naheno izany
Tehatehaka tsy hay nofefena
Lay Mpanjaka nandihy avy hatrany

Dia nitsangana hatramy nasaina
Nandihy soroka sy latsin-tànana
Sendra tojo am’lay nokasaina
Reo nanotrona tsy hay nosakanana

Totorebika mandra-maraina
Hafaliana tsy nisy ohatr’izany
Fa niravo ny fo sy ny saina
Feon-dokanga tsy tapitra ihany

“Afa-po” hoy ny mpampaka-teny
“Zao no didy avy tamy Mpanjaka:
Tsy maintsy hotohizana ireny
Ka ianao no mpitendrin’ny Lapa”

AORN
09 FEBROARY 2007
--------
Rohy:
Sokajy : ANGANO
74 3
Mpakafy: Nikalo - Tandrify12 - rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 27/03/2024 07:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152