NIFAMPITAONA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho fahatsiarovana an'itpkl Ramaroson Janvier (107 taona) sy i Rasolofo Leon zanany, izay nifanao roa andro ka nifampitaona ho any amin'ny mandrakizayFa malok’antoandro toa raho-mitatao
Reo andro nandaozan’ireto havan-tiana
Fa ray sy ny zanaka no indro nandao
Nilefa tsy niera amy fianakaviana
Raha atao indray mijery ny zava-niseho
Tanaty herinandro namarana volana
Leon no nialoha...ka tsy nahaloam-peo
‘Ty Dada sadaikatra niatrika olana
Tomefy alahelo ty fon’ilay ray
Nahita 'ty menaky ny ainy tsy foiny
Lay zanaka tokony handevina indray
No dify ka tena tsy zakan’ny fony
Indrisy… roa andro taorian’izay
Nanjohy izany dia ka nilefa ny tany
Iray lalana ho any amy mandrakizay
'Ty dada efa gina toa ontsa, tomany
Raha atao jery todika aloha ny tantara
Leon tsy mba niala, nanjohy teny foana
Nanampy ny maro.. no mpiandry tanana
Nanao tamy fo, tsy nitsitsy fotoana
Fa na fokontany na asam-baomiera
Na asa iraisan’ireo fokonolona
Tsy miandry marary izy… tonga amy lera
Fa rehefa adidy dia lasa mitolona
Raha Ramaroson Janvier no jerena
Akanga tavela ary koa tsangam-bato
Niahy ireo madinika, tsy tia tena
Naharitra ela fa fito amy zato
Fa raiamandreny tsongoin’olom-bolo
No sady mpanampy sy mpanoro lalana
Nahavita nitaiza sy nanolokolo
No sady mpandala sy tia fihavanana
Ankoatra an’izay, tena nanam-pinoana
Moa ny andefomandriny koa toy izany
Fa afo tsy maty sy tsy azo vonoina
Lay fitiavam-bavaka tsy nety lany
Angamba ianao mety ho gaga sy sina
Fa lasa izy ireo mbola nifampitaona
Ny Tompo nandahatra, k’aleo mangina
Fa Izy mahalala ny vanim-potoana
Mandria am-piadanana ianareo mianaka
AORN
04 JONA 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy