NILAOZANY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Resadresaky Faly sy Joro (ilay nilaozan'olon-tiana)---Natao fitenin-jatovo


F: O leisy !!!
Fa nahoana moa elah
No malahelo sy manjombona?

J: Nilaozan-tiana leisy zandry a!
De lasa saina tsy mah(a)tombona

F: F’angah de tena fanamperana
Lay tian’lah no manjoretra ?

J : Ny saiko anie te hanadino e !
Ny fo tsy mety tafatoetra

F: Fa raha amboarina ny fo
De mba mitodika amin’ny hafa ?

J: Tsy elah no manana ny ratra
Ka maika ery no manatsafa!

F : Fa maro anie leity ny tsara e...
Tsy vitsy ny mitady toerana ?

J: Ny foko anie ka mbola tara
Ka tena tsy azoko ho ferana

F: I Bako zao dia miandry fotsiny
Ny vava latsaka amy ‘lah..

J: Tsy misy na dia potipotiny
Na koa silaka fanahy

F: Ary Vero sy ry Avo
Efa ela nanantena?

J: Tsy hoe izaho no mora lavo
Dia hikaroka eny an-tsena

F: Elah ty leisy hafahafa ka
Ra(ha) zah elah tsy misy lavina

J : Tsy hoe misolo de ho tafa
F'ny ahy tsy mbola maina ravina

F: Ka elah zao valaketraka
Mivalo mainty ny tarehy

J: Aleo aloha hipetrapetraka
Fa Misy fatotra mifehy

F: Andao aloha hirevirevy e
Ajanony ny adin-tsaina

J: Aza de mandevilevy oa
Fa ny foko be taraina

F: Ka raha izany elah avelako a
Fa sasa-miandry reo akama

J: Aleo hijanona ny tenako
Raha tonga any aho tsy ho tamana

F: fa radem aho miverina e
Courage elah fa lehilahy

J: Mbola betsaka ny harenina
Ny ampitso Mbola mampanahy!

AORN
08 JONA 2023
--------
Rohy:
109 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 22/02/2024 13:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0912