NINIE DONIAH (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tsiahivina ny lasa
Iza moa lay sahy nijoro
manoloana ny tsy rariny
Izay nanagiazana ny taniny?
Fa tanindrazana ikambanana
Ho fitandroana ny fananana
No nitolomany tsy ankiato
Atody niady tamim-bato

Raha jerena ny tantara
Tsy sanatria fitiavan-tena
Fa fiarovana ny harena
No nanekeny hitari-tolona
Tsy nojereny tsangan’olona
Ka na iza nanoloana
Izy sahy nijoro foana

Raha nidiana an-tranomaizina
Ka naetry sy nofaizina
Dia Mbola indro fa tsy kivy
Tsy nahoany izay voahidy
Sahy nilaza izany marina
Fa manantena ny ho tafarina
Na nazera sy navarina?

Na ny aretina nahazo
Homamiadana sy tazo
Navela nozakainy irery
Ka raha nisy te hijery
dia noferana sy afarana
Tsy hilaza izay anarana
Fa atao ankasoparana?

Fa ny marina tsy maty
Raha Mbola ho an’ny Malagasy
No nitolomany hatrizay
Ka ny vata mangatsiakany
No akon’ireo kiakakiakany
No ijoroan’ireo taranany
Zary hany fiadanany

AORN
26 NOVAMBRA 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
122 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 19/08/2024 18:10)
misaotra bevata Ikalamako!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 18/07/2024 07:47
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1103