NITSIPA-DOHA LAKA-NITANA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony Mbola kely ianao dia nomeny fahalalàna sy nampianariny namindra
Tsy nataony ankilabao, tsy nasiany fanavahana, fa nokoloiny ho soa indrindra
Fananarana nataony, fitenenany masiaka, indraindray mandratra fo
Ho anao zay zandry tena tiany, zay nandaniany ny androm-piainany fa tena maminy tokoa

Ny lalam-piainanao nodiavina, nanehoanao hafaliana, nisitrahana hasambarana
Notefeny ho tafita, hahay hiatrika ny fiainana, sady tonga fianarana
Dia nitombo teny ianao, nahay nikaroka ‘reo tsara… mba hampitombo fahalalàna
Sehatr’asa maromaro, miampy andraikitra iantsorohana, noraisinao ankamoràna

Fa nivadika ny taona, nahazo fahefàna ianao, nahazo toerana ambony
Dia nivadika toy izay, lay toetra nahalalany anao, toa tsy tso-piaina intsony
Naleonao ‘lay fihavanana, no zary lasa ampandeferina, ny vola lasa tompon-daka
Ka ilay hany fiangaviany, raha tojo olana nandalo, nampianao eso tsy mba zaka

Vitanao ny mampiteny ireo galona sy ny hafa sady miampy fandrahonana
Ny haino aman-jery aza, vitanao narangaranga mba hanampy izay fatorana
Fa raha misy koa ny farany, tsy foana ilay fanantenany, mbola ho avy ny marainany
Raha Andriamanitra tsy andry, ho andriny eny foana ihany, mbola hamaly ny tarainany

Mitandrema ihany zandry, fa ny tany anie malama, ny ambony mety ho lasa ambany
Tsy manenjika izy akory, ny tody hono no tsy misy, ny atao miverina eny ihany

AORN
04 APRILY 2020
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana - Fananarana
95 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 20/02/2024 11:56
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158