NOELY MIAVAKA (AORN)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Zanaka)
Neny oh!
fa andro inona androany?
No manao akanjo vao
Sy mamoaka kilalao
Ry Benja kely atsy avaratra…
Sady nisy feo mozika
Tabataba, kiakakiaka
Nandritra ny alina tontolo?

(Reny)
Krismasy leisy ny andro ah!
Lay nahaterahan’I Mpamonjy
Tany anaty tranon’omby
Roa arivo taona izay!
De mifety ny rehetra
Indrindra fa ny misy hatao
(Zanaka)De zah koa mahazo kilalao?

Indrisy, miangatra ny vintana
Fa akanjo tata-bitrana
No azoko omena anao
Fa …ny laokantsika androany ah
Hen’omby sy anamamy
Lay tena ankafizinao
Hovidiako zao de zao

(Zanaka)
Neny oh, Fa de nahoana
No hiaritra eto foana
Hivelona amin’ny fahantrana?
Efa leon’ny voan’ny tazo
Leon’ny tono mangahazo
Isan’andro lava izao
Zany ve tsy tsapanao?

(Reny)
Etsy ary sombinaiko!
Aza mitomany intsony an!
Efa tsapako ny jaly
Zay ny lahatra ao ambony!


Nefa na izany aza
Tsy anio ihany ny Noely
Fa amin’ny herintaona angamba…
Mety ho tondraka tantely
Sy ronono tapa-daba…
Fa ankehitriny aloha
Zay no misy sy ananana
Inty… hanaovy ny akanjo
De ande mitango anana
F’efa antoandro be ny andro
Ka sao ho tara ny nahandro
‘Zah aloha ho eny an-tsena
Fa ilaharana ny hena

De rahariva isika hivavaka
Fa ny Tompo tsy manavaka
Ny mpanana sy mavomavo
F’izay mangataka, mahazo
Indrindra izao Noely izao!
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
10696 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : megamix
Daty : 13/06/2013 18:57
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011