NOELY MITONGILANA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ny "Noely" no mitongilana fa misy fijery sasany, indrindra ireo tena sahirana eny amin'ny fiaraha-monina izay tsy mba nahita rirany tamin'izany Noely izany


Hafaliana no mameno
Ny tontolo manodidina
fa volon’andron’ny Noely
fa ny anay dia Mbola iadivana
ny fitadiavana ny ho arapaka
na dia hoe mba mihinan-kely

Ny an’ny hafa ny ankizy
Mifaly ravo sy mifety
Fa nahazo kilalao
Fa ny ato pitrapitra,
ka ny tonta no havoaka,
fa tsy nahazo vaovao

Lasa andro mampahory
Sy mivadika alahelo
Rehefa tonga ny Noely
Indrindra moa ka misy zaza
Eo an-dalam-pitomboana
Zay Tsy manaiky velively

Nefa hono ny "Noely"
Dia fizarana hafaliana
Indrindra ho an’ireo sahirana
Saingy Mbola tsisy hatreto
Zay nomena na natolotra
Fa mbola "Noely mitongilana"

AORN
02 DESAMBRA 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
80 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.077