NOFINOFIKO MARAINA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofinofiko maraina
Raha mba nakanaka aina
Zato ianao ry Gasikara
Nosy meva tena tsara

Fa voaravaky ny ala
'Reo tanety sy ny vala
Maitso màvana aok’izany
No mandravaka ny tany

Voron-kely maromaro
Miara-dia mifampiaro
Fa ny biby fiompy kosa
Dongadonga sy miavosa

Renirano mikoriana
Mikodia toa mahavariana
Tovovavy miara-paly
Hita lavitry ny jaly

Etsy koa reo trano bongo
Toa miray sy mivangongo
Tsy mihidy varavarana
N’aiza n’aiza kihon-dàlana

Dia maneho firaisan-kina
Tena sarotra vakiana...
Raha ny mponina ao indray
Tsy baikoana fa miray

Fa ny tanjona iombonana
Dia tsy misy miolankolana
Fa mitambatra ho vato
Ka mifankatia tsy miato

Hita eo am-bavahady
Misy soratra mandady:
“tsy misara-mianakavy”
“Tsy voaravan’ny mpiavy”

AORN
02 JOLAY 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
118 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 08/03/2024 12:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0599