NOFY NAMPIRONGATRA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satriko ho fantarina ny mombamomba anaoFa ty fo adalako tsy laitra nampanginina
toa nangitakitaka vao nolalovanao
Ka ny tanako avy no tsy tana te hamihina
Satriko ho tadiavina zay toera-misy anao
Fa tsy tafa-toetra izato saiko te hamantatra
Ka na lavitra aza ny elanelana mankao
diaviko eny foana fa tsy ataoko mahasasatra
Satriko ho banjinina lay endrikao tomaratra
Fa ny anatiko any te hitroatra tsy hay tohaina
fa fitia miotrika hipoaka toy ny varatra
Raha tsy ambarako eto dia haningotra ny aina
Satriko hotantanana lay tananao malefaka
Ka izaho mihitsy no hamihina maharitra
Ho dibo-kafaliana zany foko te hirehaka
Fa handray amboara tena kanto mahafinaritra
Satriko dia satriko ny hiaraka doria
Ka tsy misy hahasakana ty rediredim-poko
Hay an-tsaina ihany lay mpamaritra fitia
Nofy nampirongatra ny sento sy toloko
AORN
11 SEPTAMBRA 2018
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona