NY ANIO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiaino aloha ny anio, f’izay no efa lahatra
Ny ampitso ambadika any tsy misy mahafantatra
Ny omaly efa lasana, tsy azontsika tànana
Fa rano latsaka iny, tsy azo niamaharana

Ny anio no tsara indrindra, zay hamondronan-kery
Ezaho ho tafampita, lay vina sy fijery
Ka raiso ho lesona avy, ny lasa nampipotraka
Ka saina no mivonona ny fo tsy mila trotraka

Ny anio no atao filamatra, zay hanefàna adidy
Dia aza be fandahatra, fa ny ora sarobidy
Dia aza miandry ampitso, santaro dieny izao
Ndrao tsy afaka intsony ka hanenenanao

AORN
18 APRILY 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
77 2
Mpakafy: hery - rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 29/03/2024 10:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141