NY POETA? (AORN)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Olona toy ny olona fahitanao ihany
Saingy manam-bitana nahazo saina miavaka
Afaka manoratra ny sento sy tomany
Na 'reo trangam-piainana na koa reo tonom-bavaka

Olona miaina, toy ny olona rehetra
Manana ny toetra sy izay fanirian'ny fo
fa ny sainy kosa tsy mijanona ho voafetra
afaka miantsampy lavidavitra kokoa

Olona mitia, sady mety ho malahelo
Manana halemena sy kilema toa anao
Saingy anaty soratra izy no mamerovero
Ka manjary ho kanto 'lay angola mitalaho

Olona mitsiky rehefa tojo ny hafaliana
Olona misento raha sendra ny manjo
fa ny tonokalo no ataony mahaliana
Mampanembonambona ny saina sy ny fo

AORN
01 Feb 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
277 2
Mpakafy: Kaboanta - rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 14/04/2024 16:28)
Tena kanto koa lay hamakianao azy Hery a!! mankasitraka
hery ( 14/04/2024 21:42)
Tsisy fisaorana fa dia mazotoa hatrany e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 01/02/2024 10:03
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143