NY TENA NAMANA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tena namana…
Tsy mandao anao hatrany amy ny andro tena sarotra
Tsy mila sitrany aminao, tsy mitady tombom-barotra
Fa mamonjy sy misaina, mba tsy hahatonga anao hivarina
Tsy manao zay kajikajy hanafenana ny marina

Ny tena namana…
Tsy manao ny toky ho fitaka, fa mitàna izay tenenina
Tsy misorona miteny, tsy misy zavatra hafenina
Fa manoro ny tsy mety, satria fitiavana no ambony
Tsy mikoso-maso akory, fa mananatra amy fony

AORN
25 FEBROARY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
135 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 26/02/2024 10:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142