NY TENY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny teny tsy voahevitra
Dia antsy roa lela
Mitrebaka mandratra
Ka saino sy diniho
Alao ambony ambany
Mba tsy hivatravatra

Ny teny koa mazàna
Mandemy ny ao am-po
Mampisy fery lalina
Koa asakasakao
Zay tia miteny lava
Misora-tena ho marina

Maninona ary moa
Raha ferana indray
Ny teny izay havoaka
Ka tsiky sy hafaliana
No hampitàna hafatra
Dia tsisy misafoaka?

Ny teny raha dinihina
dia mbetika mamelona
ndraindray koa tena ratsy
Fa loza ho an’izay
Mampiasa ho fitaovana
Hamono mahafaty

AORN
21 JANOARY 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
58 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 29/04/2024 13:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146