ORANA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injany fa midona ilay kotrom-pahavaratra
Dia maloka ny andro, manjombona aok’izany
Ka oram-be mikija no injao miraradraraka
Omban’ny ria-drano, mandonaka ny tany

Dia fahoriana sasaka, ho an’ny sendra izany
Fa tondra-drano foana, mamotika mandrava
Dia be ny rava-trano, tra-boina sesilany
Ny aina no manefa, ka fahoriana lava

Fa any atsimo any, miandry an-taona maro
Ny mba hisian’ny orana hamelona ny hay
Ny rivo-doza mihitsy no andrasana andalo
Fa io mitondra rano, manala ny ahiahy

AORN
12 JONA 2020
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
64 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 08/04/2024 06:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141