PROPAGANDY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny vanin’andro tahak’izao
Na eny an-tsaha na an-tanàna
Mitotorebika mazàna

Tonga hanambitamby anao
Reo hirotsaka hofidiana
Ho filoha izay atsy aoriana

Dia manao bebe fiavy
Miaraka amy tabataba
Sy artista malaza

Dia raikitra ny fizarana
Sy ny fampandriana adrisa
Ireo vahoaka analin-kisa

Sahy mianiana tsotra zao
“Homena asa ny tanora
Ny vidim-bary ho lasa mora”

Fa tsy hoe izay ihany
“Amboarina ny hopitaly
Fa maro an’isa ireo marary”

Misy mihitsy sahy milaza
“Hataoko ho ampy ny ambimbava
Ho foana hatreo ny noana lava”

Misy koa ny manakiana
“Reo ‘zay nitondra teo aloha
No fositra sy maivan-doha”

Fa ny tanjony am’zany
Dia ny hahazo fitondrana
Dia hanohy ny fandrobana

Tsy vitsy koa ny mampiseho
Programa vaovao
Ho entina ambaboana anao

Ny “Vina sy ny fisandratana”
No entiny handemena saina
Reo olona efa mitaraina

F’angaha mijanona am’zay
Fa “Raha izaho no lany eo
Ny malaso ho vita hatreo”

“Fenoiko jiro ny tanàna
Handeha tsy tapaka ny rano
Ho faly ny isan-tokantrano”

Hamaranany ny teniny
“Raha tianao ny ho lasa aloha
Izaho fidiana ho filoha”

‘Zany foana fa tsy miova
Ilay fanao izay nahazatra
Fa tsisy tanjona izay tratra

Ny hany hafatro aminao
Aza mety ho fitahana
Hanaiky tohatra fiakarana

Aza matimaty kely
Handray reo tolotra onerana
Ndrao any aoriana hanenenana

Fa ianao izay tonga saina
No fototry ny fahombiazana
Hanondrotra ny Tanindrazana
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
509 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : Rina15
Daty : 03/09/2022 01:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223