RADO SY NY TONONKALO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rado sy ny tononkalo
'zay nitaiza fahazaza
Ka na inona nandalo
tsy mba nety lefy laza

Maro be moa ireo mpamaky
No vaky fo misesilany
Voanfantsika any anaty
Ka misento, mitomany

Mbola maro mpankafy
Ny tononkalo vantambatana
Indrindra ireo mpifankatia
Mbola andalam-pisandratana

Noventsoin’I Rado koa
ny fitiavan-tanidrazana
Hita taratra ao tokoa
Fa tena Niaina fanabeazana

ireo amboaran-tononkalo
"Dinitra", "Ando", "Zo" na "Sedra"
Noventsoin’ireo mpikalo
Ka vao maika tafatoetra

Ny “Voninkazo adaladala”
Sy “Ny teny Malagasy”
Samy tsisy tsy nahalala
Fa nitety lakilasy

Fa ny tena nahaliana
Dia ny fampitàna hafatra
Tononkalo miady rima
Sady tena tonga lafatra

Ankehitriny d’efa maro
Reo nasondrotry ny tany
No mpiantsa tononkalo
Nankafy sy nakamamy

Ny tenanao no efa lasana
Ny soratrao no indreo mitoetra
Tsy voavadiky ny fasana
Reo tononkalonao rehetra

Mandria am-piadanana Rado

AORN
29 JOLAY 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
95 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 27/03/2024 14:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145