RAFAHAFATESANA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fandaozana mafaitra, mangidy tsy hay tohaina
Ny saraka aman’aina
Tomany sy alahelo miaro fahoriana
Ny ilaozan’olon-tiana
Fa satry hiriaria, sy hiaraka doria
Izay mifankatia
Saingy toa voafetra lay hany fanomezana
Tsy to rafahafatesana

Ny eto an-tany mantsy, ny taona no isaina
Ho an’ny velon’aina
Raha atao ny salan’isa, dia valopolo ihany
raha betsaka ary izany
Ny sasany aza moa, vao mianatra mandady
Dia fefika sahady
Tanora vao misandratra, voatsipaka ihany koa
Ka mankarary fo

Ry fahatesana o, hatraiza moa ny fetra
Fa toa misetrasetra
Sa Mbola tsy ampy anao, ny lasa hatrizay
Fa Mbola manafay
Soa ihany f’efa nisy, ilay zanaky ny Ray
Nisolo vaika anay
Ka maty hateloana, kanefa tafatsangana
Fa resy hatramy fasana

AORN
12 MARSA 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
55 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 22/03/2024 06:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169