RAHA HISARAKA (AORN)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho avy ny andro iray
Handaozako anao
Dia izao no tadidio
Reo zavatra natao
Tsy nisy nanenenana
Fitiavana madio

Raha sendra ianao mahatsiaro
Lay adiadintsika
Nandrotsa-dranomaso
Dia fomban-javatra iny
Tsy maintsy nolalovana
Tsy sanatria ankaso

Raha sendra ka mihelina
Mamerina ny lasa
Ny kiry avy ao an-doha
Ny hany fahendrena
Manaiky izay voalahatra
Fa tsy mamoy fo

Raha sendra ianao ka tojo
Lay alahelo anaty
Ka lasalasa saina
Mahaiza mankatelina
Ny lahatra sy anjara
Fa aza mitaraina


AORN_JONA 2017
--------
Rohy:
277 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 01/11/2023 11:39
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161