RAHA IZAHO NY TAMY TOERANY (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Henoy ange e!
Maika ery ianao hitsara fa mpamadika Jodasy
Lehilahy tsivalahara feno pentina sy tasy
Alaim-panahy ianao hiteny hoe: “raha izaho ny tamy toerany,
ho laviko ankitsirano ny vola sy ny fanaperany”
Fa manoatra noho Jodasy ianao mivadi-belirano
tamin-ny toky izay nomena, fa hanaja tokantrano

Jereo ange e !
Maika ery ianao hiteny fa tena fositra Pilato
Fa namela ny vahoaka ho romotra sy hitora-bato
Dia sahinao no manambara fa “ raha izaho ny tamy toerany,
Barabasy no nombohina fa zay no mendrika amin’ny toetrany
Fa Mbola loza noho izany ianao manafina ny marina
Aro-tena no hasetry ka ny lainga no amboarina

Diniho ange e!
Maika ianao ny hanakiana ireo vahoaka izay nandrora
Sy namely teha-maina no sady Mbola nanakora
Dia vitanao ny mihizingizina fa raha teo aho tamy ‘zay
Dia nijoro tsy nihamba fa tsy nitsitsy nanafay
Fa manoatra noho ireo ianao lay mankahala ny hafa
Fa manozona ombieny no sady Mbola manantsafa

AORN
13 NOV 2010
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
131 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 22/02/2024 10:09
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142