RAHA MBOLA METY HISY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola mety hisy
Ho takatry ny saiko
Ka hitaizana anao
Ry menaky ny aiko
Dia Mbola ataoko izany

Raha Mbola mety hisy
Voarangotry ny tanako
Ka mety hanasoa
Ny ho avin’ny taranako
Dia Mbola ataoko izany

Raha Mbola mety hisy
Zay toerana andehanako
Ahafahako mitady
Zay tsara ho an’ny zanako
Dia Mbola ataoko izany

Raha Mbola mety hisy
Zay azoko takiana
Ho tombontsoa iraisan’
Ny taranaka any aoriana
Dia Mbola ataoko izany

Raha Mbola mety hisy
Ny tombon’andro iainako
Iadivako ho anareo
Hampandry ny fisainako
Dia Mbola ataoko izany

Fa any andro iray
Tsy ho afaka intsony
Hijoro sy hitraka
Ity tenako hikomy
Dia ianareo Solofo
No kiady sy aro-riaka
Hanandratra ambony
Ireo soatoavintsika

AORN
05 JANOARY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
104 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 08/08/2024 10:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0569