RAHA ORY MOA NY FO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ory moa ny fo
Dia Iza no antsoina ?
Hitantaraina indray reo ratra mahakivy
Sa zovy no hamaly ?
Hihaino sy hanoina
Ka tena hanampy anao hanala izato ngidy ?

Fa na ny namana aza
Dia mbola mampanahy
Fa ndrao hivadi-dela raha tojo ny atambo
Tsy ho menatra akory
Hivarotra fanahy
Handatsa anao mihitsy fa te hidingin-drambo

Reo havanao akaiky
Mba nitokisanao
Manjary fahavalo, ivoho mamely fantsy
F’ireo tsiambaratelo
Mba noborahanao
Navadiny ho tsapiaka mizary lelan’antsy

Fa tokana ihany
No azo antenaina
Sakaiza tsy mivadika sy sahy manandratra avo
Jesoa lay zoky tia
Hamafa ny taraina
Mamaly izay mitady, manangana ny lavo

AORN
19 APRILY 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
392 2
Mpakafy: Lyand2345 - rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 29/05/2025 09:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0135