HALEMEN'I DADA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamo izy dia narapany miaraka amy toaka tapany
Reo atin-kena teny an-tanany, zay loaka ho an’ireto zanany
Fa mila sambatra hono izy, ka mandefitra ny ankizy
Ef’ela tsy nisotro djama dia avy miakatra an-tanana…
Ny ao an-trano anefa miandry f’efa kepaka ry zandry
Ny varisoa moa efa masaka fa najanona ny katsaka
F'i dada no hoe hitondra loaka, nefa kay nisotro toaka…
Dia nandroso koa ny alina, izy any fanimpanina
Fara-herin'ny ankizy, lasana nitango angivy
Soa fa Mbola nisy ihany, lay naniry an-tokontany...
Dia nandrahoana tamy rano, fa tsisy menaka ao an-trano
Nasiana sira mba hatsiro, f'efa ho faty koa ny jiro
Dia naroso rehefa masaka, zara mira maty sasaka
Nimosamosana aok’izany na dia ladina amy tany...
Dia nitsiky indray i zoky, miramirana fa voky
Saingy anaty malahelo, fa tanany ho tsiambaratelo
Hoe lay Ray mba nianteherana, toa mandalo de miserana
Dia manganohano irery, tsy niniana fa voatery
Mijery ireto zandry kely, tsy mahalala velively
Fa i dada dia mpimamo, tsy manaja tokantrano…
Mba rahoviana ihany moa, i Dada vao hivaky loha?
Ny ao an-trano dia mijaly, tsy mba afaka mifaly
Isan'andro dia manjombona, noho 'reo entana miha-fongana
amidy fa tsy misy vola, nefa i Dada ery midola...
dia mimamo isan'andro, mandram-pialan'ny masoandro?




AORN
18 JANOARY 2024
--------
Rohy:
148 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 23/02/2024 07:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1007