RAISO INDRAY NY PENINAO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raiso indray ny peninao
Ry Poetan’ny tantara
Dia farito ambaindainy
Na ny ratsy na ny tsara

Fa ny zava-misy atrehina
Mbola aizina no hita
Maro loatra ireo nafenina
Sesehana ireo tsy vita

Na ny fahantrana lalina
Na ireo ziogam-pijaliana
Manangoly mahafanina
Lasa vesa-pahoriana

Ka soraty tsy ankitsahatra
ireo zay marina voahosy
Fa ny lainga tsara lahatra
No manenika ny Nosy

Ambarao tsy mihambahamba
Ny halatra sy teritery
Hasetry ho an’ny mavo lamba
Ka raràna tsy hiteny

Na ireo tany nangalarina
Sy bodoina an-kitsirano
Karan-tany namboamboarina
Miampy fandravàna trano

Dia soraty ...ka soraty...
Ireo vahiny izay manjaka
Mampihorohoro anaty
Nefa miha-mahazo laka

K’aza atsahatra ny Penina
Raha Mbola misy manambàny
Fa andeha hiala nenina
Mandram-piala ety an-tany

AORN
27 MAI 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
56 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 22/04/2024 06:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148