RAY MPANDAHATRA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nandinika ny saiko nampandefitra ny loha
Manoloana ireo kapoaka zay natolotra ho sotroiko
Dia niaiky ny eritreritro fa Ianao lay Ray Tsitoha
No mpandahatra ikoizana nampitony izany foko

Firifiry moa ny hataka nitalahoako taminao
Tsisy valiny izy ireny, na taraiky aty aoriana
Tsapako ihany aty afara fa toa loza mitatao
Ka ho nenina avy hatrany hampitondra fahoriana

Saingy ireo zay tsy niriako, no natolotra ho ahy
Nahakivy, nahaketraka, nampandatsa-dranomaso
Nony nosokafanao, ny ati-saiko sy fanahy
Dia nanjary fahasoavana, lay noheveriko ho ankaso

Moa tsy taminao ry Ray, no nahazoako fahoriana
Nampangoly izany aiko, nitondrako alahelo
Fa natolotrao ahy lay hany tena fifaliana
dia lay lalam-pamonjena manalavitra ny helo

AORN
18 OKTOBRA 2015
--------
Rohy:
Sokajy : VAVAKA
153 0
Hevitra mandeha
rina15 ( 13/06/2024 05:34)
sitraka sy telina Ikalamako!
ikalamako ( 13/06/2024 12:22)
isika samy isika moa Rina a
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 23/04/2024 15:19
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0578