RENY SOA (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho fahatsiarovana an'i zokiko Hajasoa Pauline, izay nody mandry ny 28 mai 2024 Toa niselina ato an-tsaiko ‘zato ianao niatrik’ady
Reny mbola anatin’ny heriny no nandao anay sahady
Maro ireo zay nahatsapa fa mangidy raha mangidy
Zany hoe nilaozanao, ilay reny tsy nitsoaka adidy
Fony ianao vao ampy taona, no efa niaritra mafaitra
Raha nandao reo Ray sy Reny dia ianao nisolo vaika
Lasa “Neny” toa tsy satry, tonga “Dada” tsy niniana
Nefa dia nijoro ho “andry” na dia mafy sy niafiana
Izy dimy mianadahy, zandry nifanarakaraka
Notsinjovina avokoa, tsy nasiana iray ho raraka
Ny efa tongatonga saina, nampianarinao hitraka
Ireo zay mbola tena zaza, dia efa zarina hazaka
Na tanaty fitaizana, mbola sahy nanohy fianarana
Ka na alina na antoandro, tsy nitandro ny hasasarana
Dia ny vatsy izay noraisina, nositrahan’ny mpianatra
Reo no namelomanao, ireto zandry sady zanaka
Fa nandalo fihafiana, nisy koa ny kibo noana
Saingy lay finoana anaty, no niseho teo anoloana
Fitahiana avy amy Ray, no nanampy hatrany hatrany
Ka tafita ireto zandry, tsy nitrosona amy tany
Rehefa tonga ny anjara, fa hanorin-tokantrano
Mbola tonga ny ahiahy, ndrao ka hampahita angano
Manoloana ireto zandry, mbola anaty fisandratana
Nefa dia tsy maintsy handao, any an-kafa no hamantana?
Soa fa olona mivavaka, sady manana fanahy
Lay safidinao tsy an-tery, sady tsisy nampanahy
Tsy nisalasala akory fa nanolotra ny tanany
Mba hanampy anao hizaka, ireo adidy tsisy varany
Fa nivadika ny taona, nanam-paniriana koa
Indro fa nahazo zaza, vavikely tena soa
dia “Finaritra” aok’izany, ary io natao anarany
Ka nitombo fahendrena, sy nikiry hatramy farany
Raha ny asa aman-draharaha, tsy zoviana koa ianao
Fa mpikajy ny tontolo, no mpikaro-baovao
Dia voatetinao reo faritra, zay kajiana tsy ho fongotra
Fa niaretanao ireny, na nanapaka ny tongotra
Tsy hita ho tanisaina koa, reo adidy tamin-kavana
Vitanao no nampiray, reo tokantrano tsy mba niavana
Fa dia tanjonao hatrany, ny hampanjaka ny fitiavana
Ka lay sainao tsy manaiky, no niteraka finiavana
Raha faranako ny teny, mbola betsaka ny tsiaro
Saingy tsy ho voatanisa, reo soa sy tsara nifangaro
Fa ny isaorako ny Tompo, dia ianao namela mamy
Reny “soa” sy “sahy nijoro”, ho tsarovanay hatrany
AORN
29 MAI 2025
--------
Lien:
Catégorie :
Fahatsiarovana
