'REO NOANA SY VOASESIKA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rahoviana vao hitsangana
Sa andrasana ho mangana
ty vatanao torovana
sy miha-fadiranovana

Rahoviana vao hatsapa
fa efa lalim-paka
zao fahantrana izao
izay mbola iainanao

Rahoviana vao hifoha
Sy ho tonga saina koa
ity satanao voahitsaka
kanefa ianao mifitsaka

Rahoviana ny ho sahy
Ho tena lehilahy
Tsy hatahotra izay basy
isika malagasy

Rahoviana ka rahoviana
vao hiala fahoriana
sa efa mahazatra
ny fesona sy latsa?

Dia samy manontany
Ny hafa maminany
fa tsisy iray izay mihetsika
Reo noana sy voasesika

AORN
15 JOLAY 2023
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
283 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124