REVIN'NY FO TOROTORO (AORN)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inay aho mba voromanidina
dia afaka miakatra ambony
Hisinda tsy hifangaroaro...
dinganiko im-polo mandingana
Ny alavitry ny eto sy ny any
Hahita 'lay tiako amin'ny maro"

Inay aho mba lamba firakotra
hitafy sy hanafosafo
lay bikanao soa sady kanto...
Hiampify sy hamatopatotra
Hikisina tena maharitra
Hisitraka sady hilanto...

Inay aho mba hazo mirobona
hialofanao raha main'andro
Mahita ny hakantonao miavaka...
Fa mbola mba hafa amin'ny hafa
Ny iankinanao ho fialàna sasatra
hahita ny kanto sy ravaka...

Fa fo miangaly fitia e!
Tsy tapitra mamerovero
ny hanitry ny "avo tsy takatra"...
ka nofy no azo ifaharana
Mamisa tsy misy manakana
Hianoka ilay tonga lafatra...

Ny sento no halefa miampita
Mangorana toa malahelo
Manembona, mangorohoro...
Fa saina efa resim-pitiavana
Tandindona mamelovelo
fa revin'ny fo torotoro

18 OKT 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Embona
220 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 09/03/2024 17:21)
Mankasitraka ny mpiantsa!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 08/12/2023 10:07
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0433