RP Vincent RAFENOSOA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonokalo natolotra ho an'i RP Vincent, Vicaire tao amin'ny Paroasy Manjakaray, ary voatondro ho Cure any Andilanatoby Ambatondrazaka

Zovy tamintsika moa, no tsy mahalala azy
Fa tena olona mavitrika, no sady tsy mitsoaka ady
Vikera tsotra tena miavaka, no mpanompo tena havànana
Mampiray ny isam-paritra mba handala fihavànana

Fa Telo taona teo ho eo, no naha-teto anao Mopera
Tsy nikoso-maso mihitsy no sady tsy mba nila dera
Tao anaty tanjonao ny fitsidihina isam-paritra
Hitaona ireo Kristianana ho mpanompo mba haharitra

Fa ny tena nampiavaka, sy ny tena nahaliana
Ianao nitondra aim-panahy sy nitondra hafaliana
Ho an’ireo izay efa kivy vokatry ny tsy fanànana
Saika hiala an-daharana sy hiraviravy tànana

Ireo zay nila toro-hevitra fa tena reraka am-panahy
Raha midinika aminao, toa misinda ny ahiahy
Ny fahaizanao mihaino sy mizara traik’efa
No manampy an’azy ireo hitràka tsy hirefarefa

Mahaliana ny hafa koa, rehefa ianao mitory teny
Tsy mba tia miolakolaka, fa mahitsy ombieny ombieny
Nefa dia miantraika anaty, toa mitondra hamamiana
Hafatra voafariparitra, no sady mora tadidiana

Fa tsikaritry ny maro, ilay ianao mitsiky foana
Na mihavovona sy maro ireo adidy manoloana
Tsy mety tezitra hoy ny hafa, fa Mopera tso-piaina
Nefa raha ny tena marina, ny Tompo no mpanolo-tsaina

Fa hatairana aok’izany, raha nahare ny vaovao
Hoe voatendry an-toeran-kafa, ka tsy maintsy hifandao
Mila fanampiana ny hafa, amin’ny asa fisoronana
Ka tsy maintsy miala eto, fa hifindra Fiangonana

Tsy sanatria handao koràna, na koa handositra adidy
Fa ny tendry avy ao ambony, tsy mba hanànana safidy
Na satrinao aza hitoetra, hanohy ireo asa mbola miandry
Dia ny hafa koa misisika ka tsy maha-tafandry mandry

Tsy misy toerana voafetra ny amy sehatra iasàna
Fa be ireo tany midadasika no sady mbola mikodàna
Na any avaratra na atsimo, tsy misy azo hosakanana
Fa izany no fitsipaka, rehefa anaty fikambanana

Saingy nanoloana izany, dia nanaiky an-tsitrapo
Ho Pretra tompon-toerana I Vincent Rafenosoa
Efa fantatra sahady ireo adidy miandry anao
Zay tsy vita moramora fa mila aina vaovao

Isaorana mitafo koa, ianareo Trinitera
Izay nanolotra tsy miato, ireo Cure sy ireo Vikera
Mba hiasa sy hanampy hampiroborobo hatrany
Ny asa soa sy fitoriana, izay manerana ny tany

Hotsofin-drano ianao Mopera, hahavita ireo adidy
Fa efa hatrany am-piandohana no nanaiky izay safidy
‘Lay Andriamanitra Mahery no hanampy sy hitàntana
Fa ny tokim-panompoana, tsy maintsy hajaina sy ho tànana

Hoy ‘zahay Kristianina: mahaleova, mahalasàna
Enga anie tsy ho azon-tsampona, enga anie ka ho tamàna
Sarobidy loatra mantsy, ireo adidy tsy hita hisa
Hitaona ny fanahin’ny olona ho tonga hatrany am-paradisa

AORN
04 Martsa 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fiainana
205 2
Mpakafy: hery - rina15
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 23/02/2024 08:51)
Mahafinaritra ! Ny "meilleur" tokoa no lasa aloha.
rina15 ( 18/05/2024 08:41)
Mitafotafo ny fisaorana Ikalamako!!!
ikalamako ( 18/05/2024 10:45)
sady tsara koa ilay toraka voninkazo fisaorana azy, tsara ilay mahay mankasitraka sy midera ny nahavita be. Misaotra r'ise a.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 22/02/2024 07:18
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156