SAINGY TSY MITOHY (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
....
Tsy hay zay tao am-pony
Fa ny azoko lazaina
Tinaitra teo ny foko
Raha nifanindran-dalana
Ny jeriko sy ny azy
Ny maso anaty maso...
Dia tonga saina tampoka
Ka samy saikatsaikatra
Fa tsy mifankafantatra
Fa izy moa niondrika
Izaho nijery lanitra
Toa tsy nahita lalana...
Fa tampoka avy teo
Dia nifanojo indray
Niaraka nibanjina
Avy eo nitsiky kely
Dia samy naka ho azy...
Fa dify lavidavitra
Dia niaraka nitodika
Toa olona ankiroa
Zay tsy mifankafoy
Fitia toa mifanjohy
Fa saingy tsy mitohy

AORN
27 JOLAY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
131 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 17/08/2024 16:02)
Antsa kanto. Misaotra
ikalamako ( 17/08/2024 18:12)
ilay kanto mihitsy koa nge r'ise no kanto dia manaraka izany ny fiantsana e (tsiky)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 27/07/2024 14:42
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0403